Accueil | Créer un blog | Blog Beauté | Blog Séries 247

Malagasy Tonga Saina

L'Amour pour Base, le Bon Sens pour Principe et le Progrés comme But

Marina Ratia Azonareo hakana hevitra izy ity na ahitsy kely raha tiana havoaka | 17 janvier 2009

Marina Ratia <timarina19@yahoo.fr>

Azonareo hakana hevitra izy ity  na ahitsy kely raha tiana havoaka

Faly miarahaba anareo rehetra tratry ny taona vaovao 2009 , ho taom-pahombiazana ho antsika rehetra anie ity taona ity

Manoloana ny tetika maizina hanilihana ny ben'ny tanàna ANDRY TGV dia tsara tohizana lay «  karazana filazana miendrika  pub  »  mampiseho ny hafatry ny ben'ny tanàna  alefa amin'ny gazety  rehetra toy ny tamin'ny l ‘ express de madagasikara tamin'ny sabotsy 03 janoary teo sy ny lagazette ny 06 janoary ; ka   na télé na  radio na site internet dia tokony hamoahana azy io koa , marihina fa  mampiseho reo zava-bitan'ny Cua ( commune an' antananarivo renivohitra )   tao anatin' zay herintaona zay io hafatra io ary manao tsikera ankolaka sy mivantana  ny fitondrana TIM zay manana toetra sadasada mihatsara  velatsihy tato ho ato : mody tsy miady tsy miady nefa ny kobay mamely ankolaka foana ( fako anosipatrana io tiana ho lazaina io ary hanaovana analizy etsy ambany , toy zany koa ny jiro amin'ny pôtô  eto iarivo zay herintaona aty aoriana vao  narehitry ny JIRAMA sy ny fitondrana TIM , tsy sanatria ny mpiasan'ny JIRAMA no diso tamin ‘io satria  efa fantatr' antananarivo lay valifaty ankolaka tamin'ny naharesy ny kandidà TIM teto Iarivo  )

  HO  AN'  NY GAZETY  SY NY HAINO AMANJERY  ARY NY  FIKAMBANANA NA ANTOKO REHETRA TIA FAHAMARINANA:  Tsara  raha mampatsiahy matetika  ireo tarehimarika  miresaka ny VOLA  banga tamin' ny TIM nitondra ny Commune an ‘Antananarivo renivohitra ( CUA) manomboka tamin' i Ramose Ravalomanana ka hatramin ‘ ingahy Hery rafalimanana  , zay iniana  adinoin'ny fanjakana ny fanohizana ny fanadihadiana momba io  .Ny anton 'izany dia mba hampisehoana fa hafa ny lazain'ny vavan-dry zareo mpitondra hoe : fanjakana tsara tantana , manara-dalàna sy manara-penitra,  nefa ny zavatra atao  dia tsy nisy mangarahara fa lanilany ho azy tsy nisy fanaraha-maso ny volam-bahoaka .

1.FAKON ‘ANOSIPATRANA : ATAO FITAOVANA HANARATSIANA AN'I ANDRY TGV  SY  TETIKA MAIZINA  HANILIHANA AZY 
Mahagaga nefa tsy dia mahagaga raha mandinika satria fako efa eo an-dalam-pandaminana no idiran' ny fanjakana TIM tampoka  , mampatsiahy an' ingahy prefet de police an' antananarivo renivohitra  nilaza hoe misy matin'ny pesta eto andrenivohitra nefa tsy nisy  izany akory  fa tetika nanaratsiana an'i  ANDRY TGV sy ny ekipany no natao ;   dia mbola  tsy tonga saina foana ve ity fitondrana TIM ity e
 Ilay  fako eny  Anosipatrana no arantirantin'ny fanjakana handrembirebena vahoaka   eto andrenivohitra sy any amin'ny faritra any  , ary indrindra   indrindra ny  mpanao gazety . ; zany  hoe  mazava be lay tetika  fa hatao  mitovy zay niseho  tany Toamasina  tamin'ny fotoanandro ny fandehan'ny  raharaha eto   : aderadera fa ny fanjakana no manala ny fako ary lazaina fa  tsy mahavita  ny andraikiny  intsony ny commune antananarivo ( dia io notorian'ny commune io  moa ry ingahy lehiben'ny faritra ;   ny maro dia mihevitra  fa mety tsy ahazo rariny amin zany  ny mpitory  satria sarotra izany mahita rariny izany  indrindra fa olo-ben'ny fanjakana no toriana ) , soa ihany fa efa takatr ‘ antananarivo lay tetika ka raha sanatria atao toy ny nahazo an'ingahy roland ratsiraka aza  i Andry tgv , dia efa fantatra antananarivo ny tokony hataony, tsy resaka rotaka izany akory fa  resaka fiarovana  safidy no tiana ho  tenenina amin 'izany

  Faly ery ny mpitondra TIM  mampiseho hoe nisy olona 1138  hono voasambotry ny BIANCO  , kanefa ireo karpa be , akama  TIM nanao ny tsy nety nojerem-potsiny ( anisan izany ny ben'ny tanànan'ny mahajanga taloha sy ny PCA , président conseil d ‘administration  paositra taloha , ireo ben'ny tanana TIM taloha teto antananarivo  nahitana fahabangana volabe tamin ‘izy reo nitantana ny tanàna  sns...)

2. NAHOANA I  ANDRY TGV  NO NIANTSO   NA  NOTOHANAN' NY HERY REHETRA ETO AMIN'NY FIRENENA ?
Zay ilazana azy na i ANDRY  TGv no niantso na ny hery  rehetra no nirohitra nanohana azy  dia mety avokoa satria manoloana ny jadona ( jadom-pisainana sy jadom-pitantanana ) mihatra eto amin'ny firenena toy izao dia tsy maintsy miray hina ny rehetra satria  raha vao mandeha  irery na mitsitoka-tokana dia ataon'ny fitondrana any amponja  vetivety , ka na tamin'ny taona 1972 na 1991 na 2001 dia niray hina ny  hery velona rehetra nanala ny jadona na dia tsy mitovy firehan-kevitra aza .
Hoy ny  analizin'ny mpanao gazety  sasany mamalakira  sy ny mpanasohaso fitondrana hoe : ka efa nanala an' ingahy  zafy sy ratsiraka  anie ireo mpanao poltika ireo ka izao indray  ry zareo dia  hanala an-dramose ravalomanana  , dia zany ve hono dia mba mety, zany ihany no mba  hain  ‘ireo  mpanao politika ireo sns..  ? Kanefa  raha manao analizy tsotsotra dia izao no  marina  : ny malagasy na ny mpanao politika matetika  dia miray hina amin'ny fotoana anankiray   rehefa manilika  jadona ;  ka na notohanany anio aza ny fitondrana iray dia mety ho  laviny  iny afaka 5 na taona vitsy , ekena fa mety misy ampahana mpanao poltika hoe mpitady toerana fotsiny  saingy  tsy izay loatra matetika no mitranga   satria nohon'ilay zara vilana sy jadona misy eto amin'ny firenena no  mampiteny sy  mampihetsika ny mpanohitra ; jereo ankehitriny fa arantiratin'ny fanjakana sy ny mpanao gazety mbola mifikitra aminy ny hoe : ka tadiavina hisy rotaka indray ve satria efa  mba 7 % ( isanjato)  hono ny fisondrotry  ny harin-karempirenana , moa va tsy lay tenin- ‘ ingahy ratsiraka tamin'ny fotoanandro no miverina  ? faly manonona tarehi-marika  kanefa ny zava-misy iainan'ny vahoaka  mampalahelo mifanohitra amin'ny tenenina ,  ka  na i ANDRY TGV aza no lasa filoha eo ohatra  ka rehefa  hitan'ny vahoaka fa manao hadalana sy mivaona ny lalany  toy ny ataon'ny fitondrana TIM amin' izao fotoan izao dia tsy maintsy mitsangana ny vahoaka sy  ny  antoko politika na dia  ireo zay mety nanohana azy aza  handrodana azy  ; ny anton' izany dia tsotra :  tsy  misy rafitra mazava eto mifehy ny fifandimbiasan-toerana ; tsy misy koa lalàna hentitra   manenjika zay mpitondra manjakazaka  manome vahana  ny orinasany manokana ( ohatra  MBS afaka mandeha eraky madagasikara io  sns..)
Ny sasany indray  mamalankira hoe : mbola azo iafina ihany  hono  ny  hadalan' zao  fitondrana izao  ka tsy mety ny miantsampy amin' ny olon-tsy fantatra  toa an'i   ANDRY TGV  izany  .  Mazava fa tetika  efa natao tamin'ny propagandin ‘i Ingahy hery rafalimanana  daholo izany hevitr' izany  fa tsy nahomby dia io averina io indray amin ‘izao fotoana izao  , ao koa ny  manely  tsaho foana hoe miaraka amin- dratsiraka i ANDRY  TGv  e ; satria zany sisa  no bala rora  ampiasain-dry zareo  ary dia  lazaina fa nihaona tamin'ny amiraly ratsiraka  no anton-diany tany frantsa  farany teo  ( kanefa  efa nolazain'i Andry tgv tao anatin'ny site internet-n‘ny commune   moa  fa  fialantsasatra  efa nomaniny ela  iny  nataony farany teo  iny  fa tsy hoe  akory nohon'ny fanakatonana ny  télé Viva  velively , ary  afaka nifampitafa fohy tamin' ireo  vahiny mpiara-miasa amin'ny commune izy  tany :  ny région ile de France  no noteneniny tamin ‘izany )

3. TSY AOTRA  NO  OMEN ‘ NY  VAHOAKA AN' I  ANDRY TGV
Tsy hoe anjely akory ANDRY TGV matoa  arovana fa olombelona ihany  izy ary  miala tsiny  koa satria tsy hoe mitsikera  lay olompivavahana nilaza  lay naoty  aotra ho an'ingahy filoha sy Andry tgv ,  fa hajaina izy satria  toy ny pasitera sy mopera    no  fiheveranay olontsotra  azy ; Ekena  fa tsy  mety aminy   koa angamba ohatra ny manome  naoty  an'i Andry tgv ambony noho ny an'i Ramose ravalomanana dia samy nataony aotra daholo  ny an' azy mianaka , diplomasia koa no filaza an'izany :

1) Voalohany aloha  dia efa niantso ny vahoaka an' Antananarivo i ANDRY TGV tamin'ny zoma 19 desambra 2008 teo  tamin'ny fidirana mivantana tao amin'ny radio VIVA : niantso ny vahoaka  ho tony izy tamin ‘io fotoana io , ary izao indray ny commune  dia miantso fiaraha-mivavaka ary mbola hanao tatitra amin' ny vahoaka koa izy tsy ho ela araka ny hita anaty gazety ,  fa raha  namory olona  avy  hatrany  izy tamin ‘io 19 desambra io dia mety  fisamborana no niandry azy ,  satria zany no zava-misy eto e
FANAMARIHANA :  TSY SAMBANY NO NANAO FOTOAM-PIVAVAHANA OHATRA  IZAO NY COMMUNE  FA EFA NANAO TOY IZAO IZY TAMIN' NY HERINTAONA RAHA VAO NAHAZO FANDRESENA i ANDRY TGV , KA SADY FIARAHABANA KRISMASY NO FIRARIANTSOA TAOMBAOVAO LAY IZY TAMIN'  IZAY FOTOANA IZAY

2)  faharoa lay hoe tokony nitady fanampiana tany amin'ny depiote sy senatera i ANDRY TGV ka  tokony tsy namaly avy hatrany hono : sao dia misy serasera tsy mifandray  na misy  vaovao  tsy araka satria zany depiote sy senatera zany  anie eto gasikara  dia  olona baikon'ny TIM no betsaka  ao  e , ka filamboatsiary ny fitadiavana vonjy any amin izy ireny,  indrindra  indrindra fa ny  sefony sy namany  zao no efa hita fa nanidy ny  télé Viva  , lojika be zany analizy izany .
 
3) fahatelo lay hoe : tsy tokony niantso ny hery rehetra i  ANDRY TGV indrindra ny mpanohitra ; hamafisiko ny analizy  etsy ambony : raha vao mandeha irery eto gasikara , no  sady efa ananan'ny fanjakana  « dossier » na vao  mbola hoforonina  , na  hananana kakay dia tsy maintsy  ho voakenda na  ho any amponja  no hiafarana ; ohatra ny société 3 frères mpivarotra menaka , ny vadin ‘ingahy jeannot le quartz sns..izay samy mpandraharaha  daholo dia  voagadra satria izy samy mpandraharaha  ihany no nifanohana tamin' zany  , toy izany  koa ny mpanao politika : ry voninahitsy ,  roland ratsiraka sy ry zakahely depiote mananara avaratra farany teo : izy samy mpanao politika no mifanome tanana  ka  fonja ihany koa no niafarana , marihana fa ny zavatra nanenjehana  an'ireny olona rehetra reny dia misy ny tsy mitombina loatra  ary azo iadin-kevitra be  fa noho  izy reny adversera  atahorana dia natao ny fomba rehetra nandetehana azy ireny haingana , sady  marihana koa  fa mpanao poltika naharesy ny antoko TIM matetika  tany amin'ny faritra nisy azy avy  izy ireny , ka ny fanagadrana dia anisan'ny fomba  natao ahakely hery  izy  tenany gadraina sy ny antoko politika misy azy  , zava-marina fanta-bahoaka izany

Noho izany  dia lojika tokoa raha niantso na notohanan'ny hery rehetra i  ANDRY TGV ,satria zay ihany no fomba hiarovany tena amin ‘ izao fotona izao  , na mijapy na japiana  dia tsy any ny resaka manoloana ny jadona toy izao , ary miala tsiny amin'ny fikambanana Otrikafo raha tsy mitovy hevitra aminy amin'ny fanakianana antoko politika  satria  raha tsy mitambatra ny rehetra dia tsy  misy mahatohitra ny jadona mihintsy na iza na iza , maro no milaza fa tokony hiara-hikaondoha ny hery rehetra hamaritra hoe inona ny lalàna apetraka  eto mba tsy hangalatra sy hanapatra fahefana zay  olona  tonga eo amin'ny fitondrana , mety ho  lalam-panorenana , mety  ho « projet de société » no dinihana amin' zany  sns.... NOHO IZANY DIA NANANA NY MARINA SY RARINY i  ANDRY TGV KA TSY AOTRA NO NOMEN'NY VAHOAKA AZY ARY EFA VOAPOROFO TAMIN'NY FIFIDIANANA MAIRE TAMIN'NY 12  DESAMBRA 2007  ANIE  ZANY NAOTY IZANY E ;  ka tsy ifanomezan-tsiny akory ny fanomezana naoty samy hafa  fa  ny fandalinana  ny zava-misy  no samy manana ny azy ary ny tantara  koa dia mbola hitsara ao aoriana kely ao

 Ho anareo mpitondra fanjakana TIM  sy ny mpomba  azy ary  ireo mbola misalasala  : Aoka tsy ampitahorina ny vahoaka hoe : hisy rotaka ,  ho tapaka ny fianarana ,ho potika ny toekarena raha vao miala  amin'i ramose ravalomanana : matetika ny fanjakana ihany  anie hatramin' zay no mamboly rotaka teto e , satria  fandrarana   amin'ny fomba henjana izay fivoriana na filaharana an-dalambe ampilaminana nisy teto , fitakiana marina no misy amin'  izao fotoana zao dia ny zo fototra afahana miteny malalaka amin'ny haino amanjery na eny ankianja ary famohana ireo haino amanjery nohidiana tamin'ny tsy rariny .
Tokony ahatsapa tena  koa ny mpitondra  na minisitra fa  rehefa tsy tiam-bahoaka dia azo atao anie ny mametra-pialana ka  miaiky fa diso tamin'ny fanapahan-kevitra iray zay  noraisina  , ohatra miverina mamoha ny télé VIVA  fa tsy miziriziry miteny  hoe : nampihatra ny lalàna izahay matoa  manidy ny télé VIVA  , nefa  ny vahoaka  efa mahafantatra ny tena marina dia ny fanakendana  sy fanapotehana an ‘i  ANDRY TGV izany

Ary efa novalian'ny filoha ankolaka io raharaha VIVA iray io hoy ny gazety iray tamin'ny sabotsy satria hoy izy :  tsy misy ambonin'ny lalàna eto, mandefa ny tsy tokony alefa sns... zany hoe ny VIVA irery  zany no diso fa tsy reo haino amanjery hafa nandefa lay interview-an-dratsiraka tsy meloka daholo  ,efa nolazaiko  teto fa vokatry ny kakay , lolompo niotrika naharesy ny TIM  teto  andrenivohitra no anisan'ny nanakatonana ny VIVA fa  tsy izany resaky ny amiraly zany mihintsy , kendry tohana zany iny niseho iny , kapoka fa tsy fampitandremanana no nataon'ny fanjakana   ka rariny hoy lay olom-pivavahana raha AOTRA NY NAOTY  AZON' NY FANJAKANA  ;  fa io MBS  amoronana karazana lalàna kely afahany mandeha mivantana  any amin'ny faritany io  dia modiana fanina , zay lay hoe zay lazaiko tanteraho fa ny ataoko aza atao ,na koa  lay hoe hafa ny ataon'ny tanany ary hafa ny tenenin'ny vavany

4. FONJA VAKY : VOKATRY NY FITAVOZAVOZANA SY TSY FANDRAISANA ANDRAIKITRA  handao atao  sangisangy zary  tenany mampieritreritra izy ity : sao dia noho maha vehivavy  an'reo tompon ‘andraikitra  ( minisitra roa vavy : fiarovana sy fitsarana  ) no mahatonga zao  vaky fonja lava  izao ka  tsy  hentitra ny baiko midina avy ety ambony ? satria tao aorian reny vaky fonja tany toamasina sy  ny faritra hafa  ireny tany  tamin'ny  volana novambra na desambra 2008 ireny dia nodradradradrain ny fanjakana  fa hamafisina  ny fiambenana ny fonja tamin ‘iny faran'ny taona iny  nefa dia mbola vaky ihany ny fonja ary vao omaly  omaly  omaly 5 janoary dia vaky indray  ny tany toamasina sy betroka ; ary dia mahita fanarian-dia ( manoeuvre de diversion) hoe :  tena mety fanakorontanana ny firenana izao, ary mety hipoitra atsy ho atsy  koa ny hoe ny mpanohitra no nanao an'io satria ingahy zafy albert rahateo nitsidika ny  gadra politika  teny amin'ny fonjan'i tsiafahy tamin'ny 30 na 31 desambra  lasa teo  iny   sns....Mariky ny fitavozavozana sy tsy fandraisana andraikitra ireny satria azon'ny fanjakana atao anie no manao « renfort » manamafy  ny  fiambenana ety ivelan'ny fonja  raha tena mandray andraikitra izy , fa raha any amin'ny tany  demokratika  sy misy fahamarinana ireny no niseho dia efa voatsoaka na nametra-pialana daholo ny minisitra voakasik ireny ; sa sao dia  sanatria fanahy iniana ny namoaka an' ireny gadra ireny  mba  ahazoana mandray  fepetra hentitra amin ‘ izay  vahoaka na antoko mpanohitra mitady hamory vahoaka ?
 Hoy ny maro : fa  nahoana moa ny fanjakana  mahita  miaramila  miambina  ny fitaterana fako eny anosipatrana  mankeny andralanitra  kanefa tsy mahita miaramila  na polisy hanamafy  ny fiambenana fonja ? mibaribary fa ny fanenjehana olona tsy mitovy hevitra amin'ny fanjakana   ( Andry tgv io) no mahamaika  fa tsy ny fiarovana ny vahoaka ; sao kosa ary efa LANY NIVIDIANANA LAY FORCE ONE ny vola ?  nampivanaka ny maro  mantsy ny vidin ‘ ilay fiara-manidin'ny filoha   satria efa  izao ny fahantrana misy eto kanefa mbola mahita vola any ambadika any ihany ny fanjakana hividianana an' ireny ; ianareo marina no mitondra e !  tsy mahagaga  hoy ny maro raha vaky ny fonja ,ary misy manontany hoe : fonja aiza indray no ho vaky rahampitso ?  ary ny tena nahazendana tamin'ny vaovao heno omaly  dia hoe tsy nisy  ny sarin' ireny gadra  nandositra  ireny satria tsy nanao an ‘zany hono ny fanjakana  , tena fahadisona lehibe mihintsy izany  raha marina ,  ny zava-misy ohatra zany dia mbola ahitan'ny mpitondra  fialana bala foana nefa efa hita izao fa nisy tsy nety tao.
 Raha manao sondage na fitsapan-kevitra eto andrenivohitra  na any amin'ny faritra isika amin' izao  fotoana  izao ka hanontaniana ny vahoaka  hoe:
- ekenao ve ny fanakatonana ny télé Viva ?
- ekenao ve ny famarotana ny tanintsika amin-dry zareo koreana tatsimo daewoo
- ekenao ve  fa ilaina na laharam-pahamehana lay fiara-manidin'ny filoha FORCE ONE zay 60 tapitrisa dolara na 110 miliara ariary  ny vidiny ?
 Ny valin ‘reo dia azo antoka  avy hatrany fa TSIA 90 % (isan-jato ) mahery , ary hoy ny maro hoe : tsy izay mahafaly ny vahoaka anie no imason'ny mpitondra fa izay mahafalifaly an-dry zareo samy mpitondra ao ihany , ary midika zavatra lehibe zany hoe mpitondra  sy vahoaka tsy mitovy hevitr' izany intsony amin zao fotoana izao , ka rariny raha misy ny fitakiana hita  mipoitra  etsy sy eroa .
 Ka mba miaike rehefa diso lalana ry fanjakana  TIM  ô fa aleo anie halan ‘andriana toy izay halam-bahoaka e
Ambava homana ampo mieritreritra
<<M Rabe Solo

Publié par MTS à 12:18:45 dans Ecrivez-nous sur malagasytongasaina@yahoo.fr | Commentaires (0) |

Télé Viva - Marina Ratia | 16 décembre 2008

télé viva naato : tena misy ny jadona eto

...Marina Ratia <timarina19@yahoo.fr>

 

Faly miarahaba anareo rehetra
 Tonga indray hitondra ny vaovao sy ny analizy samy hafa , misy ny hevitra namafisina  , misy ny vaovao .Somary masiaka izy ity ka azonareo avoaka na hakana hevitra na ahitsy kely ny fomba itenenana azy raha mety .

1) TELE VIVA NAATO :  VOAPOROFO FA   TENA  MISY  NY JADONA ETO

 Io fa  mitohy ihany ny fanakendana an-dry  ANDRY TGV sy ny COMMUNE ; satria  mantsy ny VIVA dia fitaovana  iray fampitan'ny ben'ny tanàna hafatra sy filazana ny zava-bitany ; efa nampoipoizina ihany zao trangan-javatra zao satria efa fomban ‘izao fitondran-dramose ravalo TIM izao ny manakenda zay rehetra mety ho adverserany amin'ny fomba rehetra ; ekena fa mety masiaka iny « interview » n-dratsiraka iny   saingy efa niandrasana kendritohana efa ela lay izy  satria na gazety antsoratra na ry TV+  anie dia  efa  samy nandefa kely na nanao tatitra an'iny  daholo saingy ny VIVA  ihany  no tena nokendrena , mba fantatry ry ramose ravalo sy reo ekipany ireo ve  fa  iny fampiatoana ny télé VIVA  iny  no vao maika itiavan'ny vahoka an'i ANDRY TGV,  ary vao maika tsy itiavany anareo mpitondra TIM ireo ; ary iny no mety  manohitohina  ny fandriampahalemana  fa tsy ny fahenoana ny resadresaky ny amiraly ratsiraka  zany mihintsy ; marihina    fa mitovy amin' ny nanaovana reo lohandohan'ny  mpanohitra  tao anatin ‘ity fitondra-dravalo  ity ny zava-mitranga : fanakendana  sy fampidirana amponja an-dry : Pety , Roland ratsiraka , voninahitra ary i zakahely farany teo : fiandrasana kendritohana daholo  ary misy fandrika natao  tamin ‘ireny  olona rehetra ireny mialoha.
Ny mampalahelo fotsiny dia hoe ingahy ramose ravalo anie    ka nomerao faha 2 amin'ny   Fiangonana  Fjkm nefa dia zany no zavatra hatao eto   : lolompo , valifaty ankolaka sy mivantana ; tsy lazaina intsony ny mahazo ny FPVM  ( fanakatonana koa ) , ry Maihol tsy omena fanomezan-dalana  hanorina Fiangonana sns....tao koa ny fandroahana tsy ara-drariny  an-dry mopera urfer sy ry  olivier Peguy ( RFI) sns.....
Marina fa ny  ministra no manome baiko an'iny  saingy   azo heverina  fa avy any ambony  any mihintsy  ny tompon-kevitra satria mitovitovy mba tsy hilazana hoe mitovy amin' ireny fanakatonana radio mampiteny ny mpanohitra  tany amin'ny faritany ireny lay izy , ny fampiantoana ny karajia ( Radio don bosco)  koa anisan ‘zany  sns....zany hoe  ny fifehezan-dramose ravalo  ny haino amanjery rehetra eto dago no  tena tanjona afahana manjakazaka eto mandritry  ny mandat maro ; jereo fa na  ny KIDAONA MARAINA ( radio tanà)  aza matahotra ka zay manasohaso sy misolelaka fitondrana ihany no avela hiteny ; tsy demokrasia no ilazana an' izany ;   asa na fifanindrifin-javatra  koa  na mety efa ho  campagne fanaratsiana mihintsy  koa satria  ry zareo PLADIC no vahinin'ny  savaravina RNM  omaly alahady alina , ary dia namelively ny TGv  ankolaka no nataon-dry zareo Pladic ;  satria simba hono  ny zaridaina  andohalo sy teo amin'ny 13 mai nanaovana lay hotel de villle  sns...; hita  miharihary fa saribakoly natao hanaratsy ny TGV  fotsiny ry PLADIC isany ka hatramin'ny  resaka zaridaina no nidirany

2) ENDRIKY NY TSY FANARAHAN- DALANA ETO
 lay TVM sy MBs mandefa ny fandaharan'ny tanora TIM , karazana PAZZAPA atao hoe   ELITE  ny anarany ; dia milaza ry tanora TIM saribakoly isany fa tsy misy resaka politika hono  io fa manome fahalalana tanora hono  ry zareo ; raha tsy paiso daholo ny vahoaka ka tsy ahafantaratra hoe  ny  tanora TIM zany  anie  ka  zanaky ny TIM ihany e ; fa ny tena  loza dia inty : ny TVM soavaliana fotsiny  handefa ny fandaharana ; ny mpanohitra anefa tsy avela hiteny amin'ny RNM sy TVM  an'ny fanjakana , mazava ny tanjona sy tetika : efa azo heverina fa  manomana  ny 1er Tour de vita  an-dravalo amin'ny 2011  ry zareo ; mba hilazana amin' zany fotoana zany hoe izahay no tena nikarakara tanora teto fa tsy ny mpanohitra ka fidio ny TIM anay.

 TVM sy MBS : SAMY MBOLA AO ANOSIPATRANA VE ? Mba efa namarininareo mpanao gazety ve inty TVM sy MBS miray trano ao Anosipatrana  inty ( zay tanin'ny Commune tanà)  sa efa tsy ao intsony zao ny TVM ?  amin'izay hoy ny maro  hita  fa tsy ara-dalàna io MBS mandefa sary any amin'ny faritany io saingy mody asiana lay  resaka essai  na  fanandramana teknika halavaina foana hanafenana ny tsy fanarahan-dalana atao .Tsetsatsetra tsy aritra koa no ilazana fa tamin'ny direct festival donia farany  reny dia notapahan'ny radio  RNM sy radio  MBS  tamin'ny 12 alina ny direct an'ny tarika ROSSY ( zay vao nanomboka 15 minitra teo ho eo )  ny radio Rta  ihany no nandefa izany  hatramin'ny 1 maraina sy sasany   maraina tany ho any , natao ilazana  fotsiny izany toe-javatra izany fa hoe kinga amin'ny fanapenambava sy fanakatsakanana izay tsy mitovy hevitra  aminy ity fitondrana TIM ity

Ingahy prefet de police  dia hita ny maha saribakolin'ny fitondrana azy : asaina miteny hoe misy pesta eto dia miteny , tsy volanalajna fa hoe mety hanaratsy endrika amoin ireo mpizahan-tany izany fa ny maha maika dia ny  fanaratsina  an-dry ANDRY TGV  , maninona anefa raha mifampiresaka ? Ny télé MBS  dia tsy  mitsahatra manaratsy an'i ANDRY TGV   sy commune nefa mba télé mivavaka mikarakara rise of voice,   ny  maro dia gaga satria ingahy filoha miverina  amin'ny fanagasiana nefa ny fandaharan'ny télé-ny atao amin'ny teny anglisy ;  ary ireny sy ny  fifaninanana kitrampokontany sy ny jeux video  ataony  ireny dia mazava ny tetika  fa natao hisintonana olona hitia ny fitondrana ankolaka na mivantana  ireny ; anontanio ny chorale amparibe famonjena  (  satria nisy nanao valandresaka tamin'ny mpanao gazety tamin'zany  fotoana izany nanakiana an izy io ) tamin'ny nanao  rise voice  tamin'ny herintaona  ,ary  nahita zavatra  tsy niady tao ka  nivoady fa tsy hanao an'io  fifaninanana intsony ry zareo , endrika iray fanambatambazana olona io rehefa tsy azon'ny TIM ny  fon'ny olona iray , ka dia ireo fandaharanan'ny  mbs  ireo no hanaovana zany ;tsy manome tsiny ireo mpandray anjara amin ‘ireny akory sanatria   zay manao amin'ny fo madio ry zareo ,  ary iza no mahita fa mety famporisihana ny olona hijery MBS  ankolaka ny  nanakatonana ny télé VIVA ,tetika daholo izany saingy tetika takatry ny olona maro an'isa ka tsy ahomby.

 Mba te  hianatra ny  kolonely Ratsimandrava amin ‘lay hafatra ho an ‘ny vahoaka isaky ny alahady hariva ramose ravalo nefa samy hafa satria lasa kabary litania  , propagandy , ny  omaly tsy miova lay izy satria  ny atao hafa , ny lazaina hafa raha  tsy hiresaka  afa-tsy demokrasia fotsiny  : averimberina foana hoy ny olona zay mba mihaino ny hoe  : mahareta , mila miasa mafy , tsapako ny tsy filaminana sy zavatra maharary ny vahoaka , manara-penitra sy manara-dalàna  no ilaina sns......
Tsy tenin ‘ Andriamanitra hoy lay mpanao gazety iray izay ny tenin-dramose ravalo ka ho marina daholo ; ary eto dia mampatsiahy ny tenin ‘i Pastiera Andriamanjato  taona vitsy lasa izay hoe : tena  kristiana  na hoe tena manana toetra  kristiana ve ingahy filoha io sa ahoana ?

 Etsy ankilany ny mpitondra manohy ny fanasana ati-doha ankolaka  ny vahoaka amin' reo hetsika  mba ifikirana eo amin'ny fitondrana : Map , fitokanana lalana sns... zay  ny orinasan- ramose ravalo no hahazo tombotsoa voalohany ; etsy andaniny ny mpanohitra sy ny société civile mampiseho reo endrika jadona ankolaka sy mivantana ataon'ny mpitondra ( olontsotra , mpandraharaha conecs  nampiseho vavolombelona milaza ny zava-tsy mety any amin'ny faritra rehetra any )

Raha sanatria misy tetika maizina  hanalana ny ANDRY  TGV amin'ny toerany any ho any dia tokony hitandrina ihany ny fanjakana satria efa be anie zay fanenjehana olona ohatra zany  ka tsy mitondra soa ho an'ny firenena  ny toy izany , ka MANAINGA IREO AVARA-PIANARANA SY  MPANAO GAZETY HIJORO SY HILAZA NY MARINA  LALANDAVA  FA TSY HANGINA NA HATAON'NY FITONDRANA  TIM FITAOVANA , tsy hoe fanohanana be fahatany an'i ANDRY  tgv akory izany fa fijoroana hiaro ny marina sy ny safidimbahoaka .
Io na miverina mandeha na ho ela na ho haingana ny Télé VIVA dia  toa zavatra tsy maintsy nataon'ny fanjakana iny fanakatonana iny  mba handemena sy hampitahorina an'i ANDRY TGV sy hanakorotanana azy tsy hanao ny asany ; ary vao tsy ela izay dia efa nandalo tao amin'ny Commune  koa ny mpanaramaso ara-bolan'ny fanjakana  ; hita be lay fanatsakanana rafanjakana ô  

 3) FAMPIVORIANA NY ANTOKO POLITIKA : TSY HITONDRA ZAVA-TSOA HO AN'NY FIRENENA IO  RAHA IZAO  NO FOMBA HANAOVANA AZY
Satria zay mahasoasoa  ny TIM ihany no tsy maintsy hivoka amin ‘io , ary raha  hisy sanatria zany fanomezana  vola ny antoko politika zany dia ny TIM no tsy mainsty ahazo  anjara  bebe kokoa nohon'ny hafa ; hatramin' zay nokianin'ny rehetra ny fampiasan'ny TIM fitaovam-panjakana   toy ny TVM sns...zao izy  mety omena  vola mivantana ka vao maika hamikotra eo amin'ny fitondrana farany zay ela  ; Mety hiseho ireto  hoy ny maro :  mety hisy ny fanilihana ankolaka an-dry Lahiniriko , roland ratsiraka zay mamimbahoaka any amin'ny faritra amin'ny fifidianana eto  ; na ho lany  koa ny  bulletin unique dia mbola ho tantara na azo soratana ao anatin 'izany bulletin unique izany ny kandidà iray sns...

- be zay laingalainga nambaran' ity fitondrana ity zay :  ohatra , ovana  amin'ny février 2008 ny code électoral   e !  nefa tsy nisy akory  ; zany hoe nofitahina daholo ny avara-pianarana rehetra satria  ny mpitondra ihany no tena dadany eto ka na iza na iza dia tsy maintsy  mandohalika eo anatrehany ; jereo ny mpanao gazety milaza ny marina fa ampanantsoina foana eny amin'ny polisy na tribonaly  sns... mazava be fa mba hampitahorana azy ireny  no tetika amin zany .

- ny laingalainga  faharoa dia lay hoe tsy mahafantatra zany tany hamidy amin'ny koreana tatsimo  Daewoo zany hono ingahy filoha ramose ravalo , ekena  fa mety tsy mbola raikitra lay izy saingy ny fitenenana ohatra reny dia ahitana taratra ny fomba fiasa any ambony any : manafinafinjavatra amin'ny vahoaka


4) NIPOITRA  HERY RAFALIMANANA ( maire TIM taloha teto tanà)
ny zavatra tokony notenenin'ny rehetra dia hoe ahoana reny vola lavaka be tao amin'ny COMMUNE tamin'ny TIM  nitondra tao ireny ?ary vao tsy ela  koa dia  hita angazety fa  SOLOSAINA miisa 10 very  tao amin'ny commune raha iny vao lany iny ny TGV  ( desambra 2007 ) : nahagaga io vaovao io satria hay dia mbola tsy hita ireo ordinatera ; fa  raha TIM anie no lany teo  dia azo antoka fa  na tsy very ny ordinatera ary na very aza mety natao haingana zay nahitana azy ; mampieritreritra ,  modina fanina daholo ve reny sy ny tao amin'ny JIRAMA amana miliara FMG banga  tamin'ny taona 2003 -2006 ?  taiza no mbola nisy teto hoe :  ny jiro andalambe efa ho heritaona  zao tsy ampirehetina , ny valiny tsotra satria TGV no lany  fa tsy TIM ;  tokony tsy hamaly an'io ny cadre madinika ny JIRAMA satria tena mbola tsy nisy teto io hoe JIRO tsy arehitra   herintaona  io ; marina fa  mety  misy lafiny  teknika kely tsy mampirehitra an'io ,  misy lafiny politika koa io  satria raha TIM anie no lany  teo dia  azo antoka fa voavaha avy hatrany ny olana satria matahotra an-dramose ravalo ka , zao ramose ravalo mody sa tena mitrerona an ‘ilay vazaha alemana( jirama)  ,satria efa alohalika ny ranombary ka te haka ny fon'ny vahoaka an' antananarivo ve ? dia  tena sanana  tokoa ve ny vahoaka tsy ahatakatra an zany  e ?
 io lay nolazaina teto hoe ny BIANCO tsy hanenjika akama zany fa zay mitady hiodina na hanohitra na  zay tsy akama no enjehina  eto : jereo ny nanaovana an-dry  joseph Yoland ( ex Tim ) voatery nitsoaka ny tanindrazana satria nenjehina  , namoronana dossier satria niaraka tamin'ingahy Ranjivason nefa hay olona tsy meloka akory .Gravy anie zany zava-mitranga  izany fa mora ampitenenana

 5) FANJAKANA RATSY TANTANA
Jereo ny vola tamin'ny COJI , herintaona aty aorina vao omena ; misy aza mbola tsy nahazo ; reo orinasa madinika nanao salle de classe ohatr zany koa , niandry heritaona ; ny fandraisana ny francophonie sy ny firaisambe afrikana no mahamaika mba izahozahoana
Ny bianco tsy sahy nisambotra an ‘ireo akaman'ny fitondrana :  ohatra ny PCA ( président conseil  d' administration) Paositra  taloha , ny maire-ny mahajanga taloha nahita fahambangana be tamin'ny fitantanany ,ireo maire TIM nitondra teto amin'ny  COMMUNE antananarivo renivohitra  modina fanina ; ry Rajaona ( FID) navotsotra sns....fa raha sahy misambotra an ‘ ireny ny BIANCO ka  fitsarana tena izy no atao fa tsy  avoaka afaka 15 andro,  dia zavatra  hafa indray izay tranga zay , zay tranga nofinofy ihany anefa izany satria olobe TIM izany tsy  ho tafiditra any anaty haraton'ny  BIANCO izany raha tsy efa misy fivadihampitokisana na sinema tampoka atao.

 Jereo fa amboarina foana lay tranon'ny minisiteran'ny tanora  etsy Ambohijatovo isak ‘izay misy minisitra vaovao  tonga ao : ary  ny tena fandaniambola hita mibaribary dia ny fanoloana lay takelaby  lehibe milaza ny anaran'ny minisitera iny ( amin'ny tenimpirenena telo zay misy diso koa ny filaharany : jereo lay ety amin'ny vavahadibe ambony  ) , zay mbola vaovao   lay teo aloha  nefa nosoloina an ‘io takelaka misy jiro mirehitra io , satria ao raha e ,  fandaniambola no ilazana ireny , ny any  anaty minisitera hafa any tsy ferana ; ary avelao ny boaikelin'ny BAREA  hoy ny maro   handray vola  avy amin'ny filoha ivoriana satria ianareo aza eto tsy mitsitsy vola,  ary zara raha manome rehefa manome , manginy fotsiny lay décret natao hanilihana olona tsy tina ; sa mety akama TIM ve no tiana apetraka ?

6) RAHA  SANATRIA TSY MAHAVITA  AFA-TSY ZAVATRA ANTONINY  RY  ANDRY TGV  sy ny ekipany amin'ny mandat-ny  dia tokony ho fantatry ny TIM sy Ramose ravalo fa  tsy avy aminy no tsy ahavitany izany fa avy amireo mpitondra  TIM ireo ; ohatra ny volan'ny FER ( fond d' entretien Routier ) zay   arirarira , ela vao mody omena  ny ampahany   ;  ka ny vahoaka an' antananarivo dia azo antoka fa tsy hifidy TIM zany  intsony amin'ny taona 2011 raha mbola zao no mitohy ; na dia eo  koa ny fandranitana hoe :  tsy mahazo toerana ny Tgv fa ry Hasina  no mahazo, misy pesta eto e  sns...fantatry ny vahoaka  ny ataon'ny ben'ny tananany matoa naka ireny olona ireny izy ; fa raha tena tia tanindrazana ianareo mpitondra  ireo dia avelao ny mpiara-belona hiasa fa aza sakatsakanana fa raha tsy izany kosa dia  sao efa ampy anareo zay mandat  roa (2)  zay hoy ny maro ;  sao lasa manaonao foana  mantsy  ianareo ka hotsarain'ny tantara eto ; ka hisy handositra hiala ny firenena koa toy ny amiraly sy ny namany  rehefa ho tonga tokoa ny tokoa

  7) FEHINY
Tsy  adala akory ireo société civile rehetra reo mitairana sy milaza ny marina : conecs , sefafi cnoe ... ny katolika , ry Madeleine Ramaholimiaso , Eric rakotoarisoa sns....fa misy zavatra tsy mety  ataon'ny fanjakana TIM eto zao , zay no iraisan ‘izy rehetra ireo .

 Re koa androany  fa dia nanapa-kevitra ny FFKM fa mitaky ny hanaovana fikaonandohampirenena  maika ny FFKM ; araka ny hevitry ny maro dia io no maika fa tsy ity fampivoriana antoko politika hanasohasoana fitondrana TIM ity ; misy moa ny manome soso-kevitra hoe tokony hiala ao anaty FFKM ny katolika sy ny Fiangonana hafa ka manomana fikaonandoha toy ny tamin'ny taona 1990 ireny , hevitra azo raisina izany raha  mbola miziriziry tsy hifampidinika ny fanjakana
Mangataka amin' Atoa  Bruno matavison  minisitra  hamaha io olan'ny viva io maika dia maika .
Jereo fa reo zazavao ara-politika sisa no miara-miasa amin-dramose ravalo any amin'ny faritra sy ao anaty governemantany ; tsy fandranitana adimpoko sanatria no itenenana an zany satria ireo olobe sy olo-malaza  dia na nogadrainy na tsy sahy miara-miasa aminy , zay indrindra no ilana lay fikaonandoham-pirenena karakarain'ny FFKM , mba andravonana ny olana rehetra eto satria madagasikara  dia an'ny malagasy rehetra ary tsy vitan ‘olo-tokana izany ny fampandrosoana azy .Ireny fitaovana momba ny haino amanjery nalefa any amin'ny faritra ireny ( resaka fikojana rano hono) dia mazava ho azy fa raha tsy misy rafitra mazava eto dia ho lasa fitaovana propangadin-dramose ravalo daholo , ny tantara  no hitsara e

Nampanantenaina  fiara 4 L ny vahoaka tamin'ny  2002 , dia zao  lasa scooter indray , kalesa   no izy hoy indray ny kisarisarin'ny gazety iray izay , fa mety tsy kalesa zany indray hoy ny hafa satria mety tsy ahazo ninoninona izany ny maro an'isa raha zao no mitohy fa mety fanentanana ny olona handeha atongotra no hisy atsy ho atsy ka arahina fitenenana hoe mahasalamana ny mandeha tongotra amin'ny taona 2011 na 2012 ( taompifidianana) ; ho hita eo ny tohiny e

 Mankahery ny mpiasan'ny VIVA  sy ny ben'ny tanàna ary ny mpanao gazety rehetra indrindra ireo niteny tao amin'ny radio VIVa androany ireny satria ilaina ny firasainkina manoloana ny jadona toy izao , ny zavatra mahazo ny viva androany   mbola mety ahazo ny hafa  rahampitso , indrindra fa  mandeha ny resaka androany fa  mety hodinihana eny Mavoloha ny  fomba hifehezan'ny fanjakana ny haino amanjery rehetra eto Madagasikara .

Misaotra anareo tompoko
<<M SOLO

Publié par MTS à 08:35:47 dans Ecrivez-nous sur malagasytongasaina@yahoo.fr | Commentaires (0) |

> - Anne Honime | 16 octobre 2008

<< COUP FRANC
On célèbre, ce jour, le 50ème anniversaire de la République. Mais pour Ravalomanana, c'est le 6ème anniversaire de la monarchie.>>

 
     Tel est le  "COUP FRANC " de ce jour que j'ai lu dans  La Gazette de Madagascar que j'ai le plaisir de vous partager et faire connaitre pour votre réflexion. 
     Ra8 , le monarque,  non seulement cette date ne lui dit rien , il a l'audace par le biais du Préfet de Tana de ne pas autoriser le meeting de l'opposition à la Tranompokonolona Analakely pour comemoration de la naissance de la République à Madagascar. Et pourtant le 14 Octobre 1958, Ra8 est quand même déjà né , ici je fais allusion à l'absurdité de Ra8, à Majunga quand il a reçu le Président français Jacques CHIRAC quand ce dernier par courtoisie diplomatique a évoqué les évenements douloureux  de 1947 subis par les Malgaches... Vous vous souvenez de ce que Ra8 lui a rétorqué ... non Monsieur le président , je ne veux rien savoir de ces évenements de 1947, je ne suis même pas encore né en cette date , je veux voir seulement l'avenir ...

Tantara mitohy...
 Cordialement et bonne fête de la Republique.

 

Publié par MTS à 14:39:30 dans Ecrivez-nous sur malagasytongasaina@yahoo.fr | Commentaires (0) |

Analizy zava-misy : grad iloafo , barea , Bôlô sns....- Marina Ratia | 04 octobre 2008

 

Marina Ratia - timarina19@yahoo.fr

 

Faly miarahaba anareo rehetra
Reto indray ny famakafakana momba ny raharaha voalaza angazety tato ho ato : GRAD ILOAFO NITENY , raharaha  Bôlô ; BAREA ; Ravalomanana  sy ny fanotofany tany ....

1 - Ingahy RABETSITONTA NITENY : marina ny analizy teto hoe hisy mpomban' ny fitondrana hiteny saika isan-kerinandro na mitety na asaina mpanao gazety tsy miankina ; marina fa TIM no nolazaina  saingy ny GRAD anie  ka TIM  miofo ihany e , na azo lazaina ho TIM mahery fihetsika maka ny lokon' ingahy Ranjivason tamin'ny fotoanandro ;  efa tafiditra amin'ny tetik'adin'ny mpitondra ireny valandresaka ireny    satria re tao ny fampandriana adrisa hoe : tokony ho tony  hono ny rehetra fa amin ‘ny 2010 hatramin'ny 2015 vao hisy fandrosoana eto Madagasikara ; raha adika ankolka dia hoe aza mirotaka ianareo  mpanohitra fa avelao izahay  mpitondra aloha hanjaka kely  eto sns...hitan'ny maro ny tetikady tamin' ity.
      Tao ny filazana hoe tokony ahalala menatra hono ny mpanohitra sasany tsy manaiky an-dravalomanana ho filoha sy manao fanakianana be fahatany ; ny valiny  hoy ny maro dia hoe ka ny naman-dravalomanana tamin' zany dia ingahy pety sy voninahitsy mihintsy ange no nilaza fa hoe namboamboarina tao amin'ny MAGRO  anie ny vokapifidianana 2 è tour tamin'ny 2002 iny  e ; ary dia io iara-mahita io ny mahazo an-dry Pety sy voninahitsy ary zakahely ; zany hoe tokony ahalala menatra daholo ny rehetra raha bangoina .

2- RAHARAHA BOLO  : hatramin ‘zao dia tsy fantatra zay marina na dia misy asaina manao fampisehoana mampiseho fitaovam-piadiana  aza ( asa  na ara-dalàna ireny zavtra nampanaovana ireny zandary ireny sa ahoana ? satria miendrika  filazana ankolaka hoe ny version  an'ny fanjakana  no tena  izy ; zany hoe jonoana ankolaka ny mpanao gazety ary maro no azo  ) ; satria  ny famakafakana  dia tokony hiainga amin'ny zay voalazan'ny voampanga sy ny manodidina azy rehetra , ny fanjakana , eo koa  zay  mety lazain'ny  mpanara-baovao sy mpandalina politika akaiky ny andaniny sy ankilany   ;
- voalohany aloha manontany ny maro hoe  raha olona «  avara-pianarana na intellectuel toa an-dry Bôlô reny ve  ka tena hanao lay acte izy  dia tokony  hiantehitra  ve amina fitaovam-piadiana any amin'ny toerana mety misy ahitana azy na ny solotenany   ? faharoa dia azo heverina koa fa tsy izy irery (raha toa ka izy no tena nanao ) no sahy nanao an reny fa tsy maintsy misy olona ambony iray  na vitsy niaraka taminy ; marina fa nanondro olona izy hoe ianona no tena nanao nefa  toa tsy nohenoina  akory ny teniny ; zany hoe ingahy BOLO  irery zany sisa no tiana alentika fa reo olona noteneniny  ireny  dia mety natao fitaovana hendetehana azy ; inona no  mety antony izany ? raha mandinika isika dia efa naverimberina teto  fa hoe  efa saika maîtrisé- ndRavalo daholo amin'ny ankapobeny ny mpanao politika  mpanohitra na ireo fikambanana mijoro miaro ny marina ireny ( sefafi , cnoe... ) ; ny mpanao poltika moa  dia na maty ho azy( itpk Herizo)  na migadra ny sasany ( pety, zakahely ,...)  na tratry ny ramatahora  ka tsy afa-mihetsika sy maneho hevitra eny ankianja ny ambiny ;ny sefafi  sy ny cnoe , société  civile sns...dia voarirarira tamin'ny resaka lalampifidianana vaovao iny ;  dia gaga ny mpanao gazety  ( nefa tsy tokony ho gaga) hoe  ary toa mangina ny mpanohitra  sy ireo fikambanana hafa , niova tetika ve ?  tsy mangina ny antoko mpanohitra sy ireo fikambanana fa mafy dia mafy ny tetika hanapotehina na hanakatsakanana azy ireo ;zany no marina  ary  ny marina  zay mbola hitranga fa tsy fantatra hoe rahoviana ?

- mandeha ihany ny analizy ohatr' zay koa ny miaramila sy ny polisy  tiana hofehezina :   Ny jeneraly fidy  sy reny kolonely niaraka tamin ‘reny no mafimafy loha tao angamba , tsy hoe mafy loha mpanohitra fitondrana akory  izy ireny tamin'ny voalohany fa mety  ho mafimafy loha mitakitaky zo tao amin'ny foloalindahy tao ; ary naman'ny Filoha ihany ange izy ireny tamin'ny taona  2002 ireny ;  dia reny niara-nahita ireny  ny niafarany ary anjaran'ny polisy indray zao ny manaraka  ; ary  dia io iara_mahita io koa ny hahazo an'ingahy Bôlô zay mety harary ( tsy manozona sanatria) toa an' i pety ny hiafarany raha higadra izy ;tsy manozona sanatria fa ny rafitra fanagejana olona  tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra  zay iainana eto no mahatonga hilaza izany
-
 FEHINY : zany hoe rehefa malemy ny mpanohitra , tsy misy miaramila sy polisy mitakitaky zavatra na bebe loha intsony dia azo heverina hoy ny maro fa  efa manamboatra ny 1er tour de vita amin'ny  taona 2011 na  2012 ny fanjakana sy ny TIM amin ‘zao fotoana zao , mety betsaka ny mpanara-baovao sy mpanao gazety mety  tsy hino  izany fa ny  zava-misy  mankany amin ‘zany dia io iara-mahita io .

Raha zohina ny tantara dia efa nanao zany « diabolisation » an' zay tsy mitovy hevitra aminy koa ny amiraly ratsiraka  fony  izy nitondra :  nogadrainy dia  nampisehoan'ny miaramila   tamin'ny  mpanao gazety ny basimboron' i Tpkl Gaston Ramaroson ; teo  koa  ry Richard Andriamaholison nolazaina koa fa te hanongam-panjakana dia natao amponja koa ;  ka rehefa voafehy ireny olona ireny dia  hita fa afaka nigalabona  25 taona teo amin'ny fitondrana ny amiraly  sy ny ekipany ; ary dia hita soritra mitovitovy amin' zany ny zava-misy ankehitriny na dia samy hafa aza ny vanimpotoana saingy ny fomba fanenjehan'olona  «  adverseran'ny  , »  fanjakana dia hita mitovitovy  ihany
- efa nolazaiko teto fa  hoe ho  toy ny raharaha  19 47  ny eto amintsika raha izao no mitohy zany hoe   any aorianan' izao fitondrana  TIM izao vao hitranga ny zava-marina rehetra amin ‘ izao fotoana ;  raha tsy hoe hisy angaha  tsy ho ela fikambanana toy ny FFKM  na vondrona  hafa hanomana fikaonandoha-pirenena ilazana ny zava-misy  marina rehetra eto ; ho sarotsarotra  anefa raha hisy  satria ny FJKM ohatra efa iaraha-mahalala fa efa miraikitra akaiky amin'ny fitondrana amin'ny ankapobeny ; raha tsy mody hanaiky  angaha izy  eo amboalohany

 3. BAREA : raha tena voaporofo marina ireny hoe mbola mila vola 750 millions FMG ny federasiona  foot ball mba handefasana ny BAREA any cote d ‘ivoire  ireny  dia efa tafahoatra lay izy e
Na minisitera na federasaiona ho anay mpanara-baovao dia mitovy ihany ny nataony ; mandany vola amin'ny zavatra tsy dia maika loatra ka manjary ny zav-dehibe indraindray no hadino ; ireny raharahan'ny  komity olympika sy minisitera ireny dia  nangina  ho azy satria samy TIM ange ireny e ; nisy lahatsoratra an-gazety mpiseho andavanandro nilaza fa nahita an ‘ingahy Ahmad niara nivory tamin'ny TIM tao amin'ny Palais de sport tamin ‘ity taona ity ; toa tamin'ny fotoanan'ny zaikabe ireny angamba lay izy  ;zany dia  efa milaza zavatra betsaka na dia teo aza lay raharaha nahatafaverina an'ingahy Ahmad sy nahavoadaka an'ingahy Ramiaramanana ; reny rehetra reny  hoy ny maro dia vokatry ny tsy fahaizan-mandini-javatra lalina sy fandraisana fanapahan-kevitra maimaika lava zao ;zay taratry ny fitondrana ny firenena  amin'ny ankapobeny

4. Ingahy Ravalo sy ny fanotofana tany : lay teny fizahozahoana  milaza ho tompo-pahefana no hafahafa satria  na  minisitra na priminisitra tsy nisy sahy nilaza mazava  an'io ;  teo lay teniny hoe : «  raha mbola misy tany azo totofana  koa any ambany any dia totofako » , zany hoe lay fahamaikana hanao zavatra hotokanana amin'ny 2011 ( 1er tour de vita ) no mahamaika , fa tsy ny manjo an' ireo vahoka ho voatototra tany ; ohatran'ny tsy miteny amin'ny vahoka malagasy ingahy filoha  fa miteny amin'ny mpanao gazety sy reo manohitra an' azy ;  ka lay fomba fiteny aviavy be  ohatra zany ve dia tena hampiravona olana  eto amintsika ?
Ambava homana ampo mieritreritra  
<< M. solo

 

 

Publié par MTS à 16:44:15 dans Ecrivez-nous sur malagasytongasaina@yahoo.fr | Commentaires (0) |

tosa-kevitra : fanagejana mpanohitra tato ho ato - Marina Ratia | 04 octobre 2008

 

Marina Ratia - timarina19@yahoo.fr

 

Faly miarahaba anareo rehetra
Nisy ny vaovao hita  tamin'ny haino amanjery tato ho ato ( Roland ratsiraka savaina , TIM tsy mitovy hevitra sns...)   ka misy ny holazaina momba izany  ( misy ny fanamafisana ny hevitra teo aloha ary misy ny vaovao)

Rehefa fakafakaina ambony ambany ny vaovao re tato ho ato dia manamafy zay voalaza farany teto satria dia azo lazaina sy heverina raha tsy tena izany mihintsy ny marina dia ny TIM no tena mampiady angely eto amintsika amin ‘ izao fotona izao , tsy  dia hoe mirona any amin'ny fanoherana ny fanadihadiana atao matoa milaza izany , fa ny zava-misy  mitranga mihintsy no  manambara izany ary efa notenenin'ny gazety sasany moa , ary efa fantatry ny maro rahateo fa manomana ny fifidianana amin'ny taona 2011 na 2012 ( premier  tour de vita) ny TIM ka izay no mahatonga ireo antsojay maro samy hafa ataony amin' ireny  « adverserany  » ireny amin' zao fotoana zao .

 TOY ZAO NY TETIK'ADY NA STRATEJIAN'NY TIM   HENO SY HITA AN-GAZETY  :
   Mitety  na asain'ny haino amanjery ( miankina na tsy miankina ) ny mpikambana TIM  ( ministra , depiote , ben'ny tanàna sns...) isankerinandro , ka voamariky ny maro indrindra fa ny mpanao gazety   fa misy  tsy mitovy zay lazainy  ( tenin ‘ingahy Donat sy Raharinaivo,  ary ny ben'ny tanana talatamaty sns...) ;  io lay tetik' adin'ny TIM  zay  tsy mahagaga amin'ny mpandalina vaovao  politika  ,satria  raha alalinina  dia  toa misy  mpikambana TIM  natao hikritika na hanakiana  mpanohitra mpanao politika , misy ny natao hanakiana  an'i Andry tgv   sy tsy miankina hafa , ary   misy koa ny natao hanakiana  ny mpiara-miasa amin' i Andry tgv  fotsiny ka somary lambolamboina i Andry tgv atao  hoe : mety ny ataony  saingy lalaovin'ny mpanao politika hono izy sns...; efa fantatry ny TIM tsara ny fanagejana ataony io  fa modiany fanina ka zay no mahatonga azy mamilivily resaka toa  io ( manœuvre de diversion) . Lay fanagejana an'i Andry tgv  sy ny commune antananarivo renivohitra anie no nahatonga ireo sokajin ‘olona maro : fikambanana ,  olo-kendry , ray amandreny ,   mpanao politika ,  ampahana  société civile niteny sy nitroatra ireny e , fa raha navela niasa nangina ry Andry tgv , nomena azy ny volan'ny FER ( fond d' entretien routier ) anjarany , navoaka ny volany 400 000 euros avy amin'ny  union européenne sns.... dia tsy nisy mpanao politika nipoitra  nanohana an ‘i Andry tgv zany teo , noho izany tsy mitombina  mihintsy lay hoe : lalaovin'ny mpanao politika i Andry TGv ,  mazava be izany amin' izao fotona izao .

Ireo vondrona roa :  mpanao politika mpanohitra sy  Tgv  ,  ireo no azo lazaina fa adverseran'ny TIM  sy ny Fanjakana  ankolaka na mivantana amin ‘izao fotoana zao : ny iray , mpanohitra io , dia atahorany haka fanjakana handimby azy , ny faharoa , tgv io , atahorany mbola ahazo ny fon'ny vahoaka an' antananarivo amin'ny  taona 2011 ka ny tetika dia ny fanagejana an' izy ireo samy atao mitokana ;
 Efa nolazaina teto  fa nahomby vonjimaika ny tetiky ny TIM  nampisaraka ny mpanohitra sy ny TGV teto andrenivohitra  satria nalefan'ny Tim  lay teny hoe mpanohitra no ao ambadik'i  tgv ary dia namaly avy hatrany  moa i Andry tgv nitsipaka an' izany ; ao aoriana ao anefa dia azo heverina  hoy ny maro fa mety tena hiaraka ireo raha mbola mitohy lay antsojain'ny TIM  io;   
Ho an'ny mpanao politika mpanohitra  dia ankoatran'ny  resaka  fanampenam-bava azy ireny  dia eo ny ramatahora na  ny  fampidirana  amponja  tsikelikely zay lehibebe  mamimbahoka any amin'ny  faritra any  ; tafiditra ao anatin zany ny natao an'Ingahy ROLAND RATSIRAKA vao omaly  omaly ireny ( fisavana ny tranony) satria na tsy mahita zavatra aza ny fanjakana ( raha mahita  moa dia hitarina ) dia efa tetika fandotoana azy ireny ,ny hanaratsiana azy eo imason'ny vahoaka betsimisaraka no kendrena , ny hita angazety sy re tamin' lay valandresaka tamin'ny mpanao gazety  dia  hoe : hay fitaovana medikaly  fanomezana tamin'ny taona 1998  nataona olona privée  ho an' ny fikambanana MTS lay izy , ka farafara simba sisa no tavela satria efa saika tapitra nomen'ny vahoka daholo ny fanomezana tamin' zany.
Ary ny voalaza tamin' zany  dia nanaporofo lay tetika fanagejana tenenin'ny ray amandrenin'ny faritany 5 matetika dia lay fampidirana amponja azy volana vitsy nialoha ny 12 desambra teo , mba tsy ahazoany milatsaka ho ben'ny tanàna indray  ; tetika tsy mendrika ny olona mitonona ho demokraty no nataon'ny TIM tamin 'io ; Teo koa ny anisan'ny voalaza fa nahatonga lay fisavana : hay nitsidika ireo traboinan'ny haitrano ingahy roland ratsiraka  fotoana vitsy lasa izay ary azo heverina hoy ny maro  fa hitan ireo TIM tsy maty voalavo ankibo  izay fitsidihana izay ka nanao tatitra taty ambony ry zareo  nilaza hoe  jereo fa  mbola tsy fay ingahy roland ratsiraka fa mbola miserasera amin'ny vahaoka ihany ka ataovy amin'ny fanaovana azy indray ; rehefa hanazavana an'io ry zareo TIM dia  azo antoka fa hiala bala  hiteny hoe: mahaleo tena anie ny bianco  ka tsy misy idiranay sns katsaka, tsaramaso ..... mazava be lay tetika dia ny  mba hahakely hery an' ingahy roland ratsiraka , ka  hatahotra izy  mba tsy ho sahy hanao politika sy hiditra hifaninana amin'ny TIM  intsony amin'ny taona 2011 sy 2012 ; ka ho moramora lay « premier tour de vita  »amin' zay fotoana izay ny amin'ny faritra atsinanana sy eto gasikara amin'ny ankapobeny .Ingahy Lahiniriako  moa efa voalaza teto koa fa efa  manomboka aletika koa satria efa nisy gazety nampiseho ny anarany miaraka amin' ilay afera artane iny ;
Raha fintinina dia zao : ry Voninahitsy , Pety , zakahely  dia any ampigadrana daholo , roland ratsiraka iverenana savaina sy lotoina io , toy zany koa i Lahiniriako  voalaza teo , i Andry tgv( centriste na hoe eo afovoany ) kendaina , ahena ny fahefany ; ary dia mihevitra ny TIM fa  ho moramora  ny lalany amin'ny premier tour de vita amin'ny taona 2011 sy 2012 ; zay no mahatonga zao fisehoan-javatra izao saika isak ‘herinandro ary azo heverina fa hisy foana  ny karazana figampingana ataon'ny TIM na ho an'ny mpanohitra na ho an'ny TGV mandra-pahatongan'ny taona 2012

Ny FPVM ( Fiangonana sy mpikambana) koa  dia anisan'ny adverseran'ny fanjakana sy TIM saingy somary voafehiny eny amin'ny fitsarana  ny momba azy io ka tsy rere loatra ;  azo lazaina anefa fa anisan'ny nitondra ny fandresen'ny TGv teto andrenivohitra ny olon'ny FPVM  ,ka tsy mbola fantatra koa zay tetikadin'ny fanjakana  momba an' io , raha tsy hoe tambatambazana  foanana daholo ny fanenjehana azy  alohan'ny taona 2011 na mbola hitohy  ohatr'zao ihany
 
LALAM-PIFIDIANANA ARIRARIRA
Na dia  mety ho raikitra ihany ny fanovana azy io dia zay tian'ny TIM ihany  no tsy maintsy lany momba azy io   , io koa dia nampiseho ny « mauvaise foi »na haratsiam-panahin'ny  TIM sy ny fanjakana satria olon-dehibe efa nifanaiky zao , ny fanjakana sy ireo fikambanana marobe,  fa hoe  tokony ovaina io lalam-pifidianana io , kanefa dia novaliany  bontana hoe tamin'ny voalohany :  f' angaha  hono zao misy fifidianana  intsony ; ary maro no mihevitra fa raha lay « bulletin unique » iny no hampiarina eto dia azo inoana fa ho resy ny TIM any amin'ny faritra maro any , ary indrindra koa raha malalaka ny fanehoan-kevitra amin' ny  RNM ,TVM .

 FOMBA FANJONOAN' NY TIM VAHOAKA :

- Eto andrenivohitra dia ny  mpikambana sasany amin'ny TIM  dia mamely ny ben'ny ben'ny tana sy mpiara-miasa aminy amin'ny haino amanjery , ny sasany mizara vary sy cahier , amin  ‘zay  dia mba tsy ho hita be lay antsojay atao amin'i  Andry TGV ( fanendrena sefompokontany  noesorina , trosa asaina aloha , solika tsy nomena tampoka, fametahana ampoule arirarira  sns...)
 Hita koa omaly fa mba nizara fitaovam-pianarana koa ny TGV ary tsy tongatonga ho azy  koa matoa ny SAVONNERIE TROPICALE no miara-manome fanomezana amin-dry zareo ; ary tsy maintsy misy ny hiteny : hay koa mba manjono vahoaka koa  ny TGv ; nefa ataovy ny analizy hoe : raha samy misarika na manjono vahoaka  ny tgv sy tim dia inona avy ny zava-misy ataon' ireo antoko  sy  fikambanana ireo ? satria ny tgv nilaza fa tohin'ny asa sosialy fanomezana sakafo ny mahantra sy zokiolna amana arivony tamin'ny 26 juin  sy ny  fanaovana court gratuit ho an ‘reo mpianatra amanarivony lay izy ;efa nomeny kianja na mpanohitra na TIM ( kitrampokontany MBS) ; fa ny an'ny ankilany  kosa ( TIM io)   efa nanome alalana mpanohitra ve ny fanjakana TIM  , efa hita taratra ve ny fiovany ? valiny : toa fanagejana zay  tsy mitovy hevitra aminy aza no vao maika hita ; nahoana no nasiany sarin-dRavalomanana lay cahier ?valiny : lay fifidianana amin'ny taona 2011 na 2012 no ampitaina mangingina  io ;  fomba fiady lay izy  saingy tsy fomba fiadina olona kristiana no  ataon'ny TIM satria  ny  mpikambana  TIM dia  lasa olona mpanao lolompo ny ankamaroany satria resy tamin'ny fifidianana tamin'ny 12 desambra teto andrenivohitra , zany hoe tsy levon'ny vavoniny  mihintsy lay faharesena ka atao ny fomba rehetra ahazoana ny sezan'ny ben'ny tanàna indray.

RESAKA JIRO ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA :politika avo lentan'ny antsojay no azo ilazana an'io ; satria  te hanaporofo ankolaka ny TIM fa tamin izy nitondra dia nazava foana ny tanàna .
Miangavy anareo mpanao gazety hanao fanadihadiana lalina satria efa 8 volana izao no saika ao anatin'ny haizana antananarivo renivohitra ; tamin'ny volana jona no saika efa nivaha ny olana satria nisy ampoule maromaro  no hita nirehitra isaky ny fokontany , hay toa namonjen'ny Jirama sy ny fanjakana 26 juin fotsiny  lay izy ; inona ny marina ? tena ampoule tsy mamely ve no nomen'ny commune an'ny JIRAMA ? satria tamin'ny  volana juin anefa dia toa nirehitra ihany ireo ampahan'ny  ampoule  miisa 7000 nomen'ny commune ? nisy mpiasan'ny jirama nanodinkodina  ampoule  ve ? maninona raha  ny mpiasan'ny JIRAMA any amin'ny fokontany rehetra any no omena baiko hametaka ampoule satria tsy mahazo manao izany ny olontsotra sy ny  commune .sa mba azo ovana kely ny lalàna hamojena ny vahoaka , ka faka mametaka ampoule ny commune na sefompokotany ?
Mila vahaolana maika io resaka Jiro sy ampoule io satria mijaly ny vahoaka an' antananarivo amin'ny asan-jiolahy; ary tsetsatsetra tsy aritra no ilazana fa io no anisan'ny nahatonga lay loza mahatsiravina  dia lay vonoan'olona nahazo azy mivady dokotera teny  mahamasina satria saika tsy misy jiro ny elakelantrano eny toy ny eto antananarivo iray manontolo ihany ., , ary araka ny teny  fitarainana  nataon'ny  lehiben'ny fokontany  teny rahateo zany .

- Any amin'ny faritra  indray dia ireny iara-mahita  ireny ny fanampiana ny  tanànan'i  toamasina satria voadaka tamin'ny fomba rehetra ny TTS n'ingahy roland ratsiraka , ary dia jonoina ny vahoaka hoe  : jereo ny lalana sy  ny tanàna fa  vita tsara  tsy toy ny  tamin'ny andron ‘ingahy roland ratsiraka ; zay tsy nomena ny vola anjarany na FER  na banque mondiale satria tsy TIM,  toy izany koa ny tany Finarantsoa ( pety) tamin'ny fotoanandro  ; sady mody nasiana lay sinema hoe  mba takian'ny fanjakana trosa  koa hono toy ny commune tanà  ny any toamasina , mampalahelo lay fihetsika e

- ary vao tsy ela akory zay ary efa nisy gazety anankiray nahatsikaritra lay izy , lay hoe : ny mpanao gazetin'ny faritra indray izao no entin' ingahy Ravalo any ivelany any , ekena fa samy tokony mba haka traikefa daholo ny mpiasa rehetra saingy lay izy  hita fa misy stratejia  ambadika  ihany hoy ny maro , dia ny fanaovana azy mba hakana ny fon'ny faritra ankolaka  satria  azony antoka  fa ireny mpanao gazetin'ny faritra  ireny dia  tsy hanohitra Tim na fanjakana  ao anatin'ny fotoana fohy zany ; tsetsatsetra tsy aritra koa  no ilazana  satria  eto andrenivohitra anie  dia efa  tsy tian'ny vahoaka maro an'isa eto zany  TIM na ny mpanao gazety mpomba TIM zany ; na inona fanazavana ataon'ny TIM zay tsy hilaza an' zany tetika zany velively mihintsy , dia efa fanomanana ankolaka ny fifidianana amin'ny taona 2011 na 2012 io tranga io

zay zany  no azo ambara fa mandra-panoratra indray .Misaotra anareo naharitra namaky Mirary soa .
<

Publié par MTS à 16:42:52 dans Ecrivez-nous sur malagasytongasaina@yahoo.fr | Commentaires (0) |

1| 2| >>